PolitiqueTsidika

Appollo 21: Aiza ho aiza ?

Na somary nangigina aza ny raharaha fikasana fifofoana ny ain’ny filoha nandritran’izay resaka fanoloana Governemanta izay. Tsy tapitra akory ny fanadihadiana fa mbola amperin’asa ireo tompon’andraikitra tsirairay milona ao anatin’ity raharaha ity. Mahakasika izany indrindra, nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny fonenany teny Ankadifotsy i Maitre Willy Razafinjatovo izay mpisolovavan’i Paul Rafanoharana fa « Avelao hanaraka ny fizotrany mahazatra ny raharaha Paul Rafanoharana ».

Antontan-taratasy maromaro manohana ity farany no nasehony tamin’izany, tao anatin’izany ny filazany ny mba amoahana ny raki-tsoratra izay milaza fa « manatsara ny toeranao amin’ny maha mpanolotsaina diplomatikan’ny filohan’ny Tetezamita anao » izay anisan’ireny i Paul Rafanoharana. Ankoatra izay, mipetraka ny fanontaniana « tsy hamono olona amin’ny basim-borona izahay, ary koa filohan’ny Repoblika. Ary maninona no miandry herintaona, alohan’ny hanambarana fa nisy andrana famonoana ny lehiben’ny fanjakana. Ary tsy misy mpikambana ao amin’ny antoko mpanohitra tafiditra ao » Ary hanohy fa « ny raharaha dia tsy maintsy manaraka ny mahazatra » hoy hatrany Maitre Willy Razafinjatovo.

Ho an’i Maitre Maka kosa, izay miresaka an’io rakitra io ihany, nanambara fa nisy famotopotorana lehibe natao tamin’ny vadin’i Paul Rafanoharana tao Antanimora nohon’ny toe-pahasalamany tsy mbola tomombana, hoy ny mpanao famotorana.

Fa ireo mpanara-baovao mbola maro no mametra-panontaniana hatramin’izao : « Mbola miandry ny anaran’ilay tena atidoha nikotrika an’izy ity izahay, tsy matotra ny fanaovan-draharaha ao amin’ny Fitsarana » hoy Berthe. Toa an’i Fetra izay mpianatra ihany koa nilaza ny tenany : « Tena misy tokoa ve ny raharaha famonoana ny Filoham-pirenena sa sarin’ady politika ihany. Raha tena zava-dehibe tokoa mantsy tsy tokony apetrapetraka fa kosa aza tsy maintsy atao izay amahana azy haingana. Fifofoana ny ain’ny Filoha no resaka eto fa tsy raharaha hafa ». Tokony alefa amin’ny fomba mangarahara ihany ny tohin’ny raharaha, miandry ny vahoaka hoe iza marina no tena tao ambadik’izao.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire