Ambohimangakely : Maro ireo tanora no liana tamin’ny fiofanana tao amin’ny BTC
Anisan’ny nanintona ireo tanora ny nanaraka ireo karazana fiofanana tao amin’ny BTC Ambohimangakely. Tanora an-dalam-pianarana na efa navita izany dia hita nanaraka fiofanana teny an-toerana avokoa. Ireo taranja tsy fahita any am-pianarana no tena nahasarika ireo tanora nandritra izany, toa ny taranja informatika, ny comptabilité, ny resaka fandraharaharana sy ny maro hafa. Raha tsiahivina, maimaim-poana avokoa ny fiofanana tao amin’ny BTC nandritra ity volana oktobra ity. Mbola hitohy hatrany anefa ny fiofanana, raha ny voalaza.
« Ny hanampy ireo tanora, hanosika azy ireo mankany amin’ny fifehezana ny zavatra atao amin’ny sehatry ny asa no tanjona sy zava-dehibe amin’ny fanomezana fiofanana. Misokatra ho an’ireo izay te hanohy ny fiofanana hatrany ny ivon-toerana ary tsara ny manampy hatrany ireo teknika hahafahana mampitombo fahalalana izay efa azo » hoy i Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
« Nanampy be dia be tamin’ny fahalalana mahakasika ny resaka fandraharahana sy ny teknika isan-karazany mahakasika izany, izay nianarako manokana tato. Anisan’ny tombony ilay izay maimaim-poana ary mbola hanohy izany satria manampy amin’ny resaka asa ilay izy » hoy i Faniry, mpiofana mahakasika ny Bussiness entrepreuneurship.
Ao anatin’ny fotoana fohy dia afaka hahafehezana sehatra maro ao amin’ny BTC Ambohimangakely. Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanampy ny tanora amin’ny fanomanana ny ho avy sy ny fahaizana amin’ny fandraharahana. Mbola mitohy hatrany ny fiofanana ao an-toerana amin’izao fotoana izao ary mirary zakan’ny fahefan’ny rehetra ny saram-piofanana amin’izany.
Manitra Ramanantsoa
