ActualitésTatitra

France : Hivoaka ny 9 novambra izao any amin’ny « cinéma » ny horonantsary « Black Panther »

Nampanontany tena ny maro ny fisian’ny tohin’ny horonantsary « Black Panther » taorian’ny nahafatesan’ny mpilalao fototrin’ny horonantsary, Chadwick Boseman. Tsy nataon’ireo mpamokatra sakana nefa izany ary hivoaka ny 11 novambra izao ao Etats-Unis ny tohin’ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe « Black Panther: Wakanda Forever ».

Azo jerena manomboka ny 9 novambra izao any amin’ny « cinéma » any France kosa nefa ny horonantsary rehefa nisy ny fifanarahana tamin’ny Disney. Fantatra ihany koa fa tsy hivoaka amin’ny Disney+ io horonantsary io raha tsy any amin’ny tapakin’ny taona 2024 any.

Laisser un commentaire