Antenimieram-pirenena : Laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana.
Manatanteraka ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimieram-pirenena ho amin’ity taona 2022 ity. Haharitra 60 andro izany ao amin’ny trano maitso kelin’ny Antenimieram-pirenena Anosy. Maro ny fandharam-potoana mandritra izany 60 andro izany ary maro ihany koa ny ho fampandrosoana an’ny Madagsikara hiatomboka ao.
Natao handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 (LFI). Fa ankoatran’izay, hisy koa ireo volavolan-dalàna samihafa sy tolo-dalàna avy amin’ireo solombavambahoaka izay tsy maintsy handraisana fanapahankevitra. Ny tena zava-dehibe mandritra ity fotoana ity dia ny tokony hampitomboana ny tetibola hiadivana amin’ny afo sy ho fiarovana ny tontolo iainana izay tranga niseho matetika tato ho ato.
“Tokony hamafisina ny rafitra maharitra enti-miady amin’ny doro ala sy tanety izay mandripaka ny harena voajanahary eto Madagasikara, hita nirongatra tato ho ato. Mila hatevenina ny tetibola hahafahana mividy fitaovana hampiasaina hiatrehana izany doro ala izany”, hoy i Razanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimieram-pirenena.
“Zanakazo ahazoana tombony ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana ary ara-toekarena no ezahina hovolena amin’ny taom-pambolen-kazo manaraka mba hahafahana manarina izay rehetra simba tao anatin’izay fotoana fohy izay. Azo atao ohatra ny mamboly “Paulownia Fortunei”, ny akasia sy ny ravintsara ihany koa”, hoy kosa i Razafimahefa Herimanana, filohan’ny Antenimieran-doholona.
Samy nahatsapa ny tsirairay nandritra ity fivoriana ara-potoana ity fa zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iaianana. Mila hatao laharam-pahamehana izany amin’ny asa rehetra mila atao. Ny fiarovana ny tontolo aiainaa izay tsy andraikitry ny Ministeran’ny tontolo iainana irery izany fa ny andrim-panjakana rehetra dia manana andraikitra ao anatin’izany avokoa.
Miora Raharisolo
