Alasora: Manomboka ny asa fanamboarana ny EPP Alasora
Efa manomboka amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny trano fianaran’ny EPP Alasora, izay iharahan’ny AFF sy ny kaominina Alasora ary ny ny Fondation Axian, ity farany izay mpamatsy ara-bola ny fanamboarana. Araka ny voalaza, efa ela no tsy nisy fanamboarana ity sekoly ity, izay anisan’ny niorina voalohany tao Alasora. Hatramin’ny taona 1906 no efa nanomboka nandray mpianatra izany sekoly ara-panjakana izany.
“Zava-dehibe tokoa ny fanaovana ezaka tahaka izao, indrindra mahakasika ny fanabeazana. Ilain’ny zaza malagasy, ary anisan’ny zo fototra tokony sitrahan’ny ankizy ny hianatra anaty efitrano milamina sy manaraka ny fenitra, mba hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana” hoy I Mihanta, mpilatsaka an-tsitra-po momba ny zon’ny ankizy.
“Ilaina ny fanaraha-maso ao anatin’ny fanamboarana tahaka izao, hisorohana ireo tia kely isan-karazany sy ny halabotry izay anisan’ny mamely amin’izao fotoana izao. Fa indrindra ny fanentanana ny rehetra amin’ny fanajana ny fananana iombonana” hoy I Marie, mponina ao Alasora.
Vavahady misokatra mankany amin’ny fampandrosoana ny fanaovana foto-drafitr’asa entina hanatsarana ny fanabeazana sy ny fampianarana tahaka izao. Tokony hamafisina ao anatin’izany ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fanomezan-toerana ny zon’ny ankizy, indrindra ny fampianarana, hanatsarana ny ho avin’ny zaza malagasy.
Manitra Ramanantsoa
