ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Niaiky ny fahadisoany i Liz Truss

Nisedra fahasahiranana maro i Liz Truss enina herinandro taorian’ny nahatongavany tao amin’ny 10 Downing Street. Voatsikery mafy io praiminisitra britanika io taorian’ny famelabelarana ny tetikasa fanenana fampihenana hetra goavana izay ahatahorana hiteraka tsy fahatomombanana ara-bola ao amin’ny firenena.

Niaiky ny hadisoany io lehiben’ny governemanta io nandritran’ny resaka nataony tao amin’ny BBC. Niala tsiny ampahibemaso izy ary nanambara fa na eo aza ny fanilikilihan’ny antokony sy ny fanerena azy hanatsahatra ny « plan de croissance » novolavolainy dia tsy hiala amin’ny toerana velively izy. Hitàna ny andraikiny sy fanoloran-tenany izy hoy izy ary ataony ho an’ny tombontsoam-pirenena izany.

Laisser un commentaire