Pays-Bas: Fisamborana mpiasam-panjakana roa voarohirohy ho namoaka ny tsiambaratelom-panjakana tany Maroc
Nanambara ny manampahefana tao Pays-Bas tamin’ny talata fa nisambotra olona roa niasa ho an’ny mpandrindra nasionaly misahana ny fiarovana sy ny ady amin’ny fampihorohoroana any Pays-Bas izy ireo. Nahiahina ho “famoahana ny tsiambaratelom-panjakana” ao Maroc, dia mijanona am-ponja mandritra ny tapa-bolana farafahakeliny izy ireo, araka ny fangatahan’ny “parquet”. Nanambara ihany koa ny parquet tao Pays-Bas tamin’ny alarobia fa nosamborin’ny manampahefana ilay mpanatanteraka ny fampihorohoroana sy polisy vavy iray noho ny famoahana ny tsiambaratelom-panjakana. Ity fisamborana ity dia natao tamin’ny herinandro lasa, raha nitatitra ny haino aman-jery isan-karazany ary nilaza fa natao ho an’i Maroc izany famoahana tsiambaratelo izany. Nentina teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana tao Pays-Bas ny talata teo ireo voasambotra ireo. Nandidy ny hanohizana ny fitazonana azy ireo mandritra ny roa herinandro fanampiny ny mpitsara ary mitaky ny hisian’ny fanadihadiana mangarahara ihany anefa ny fitondram-panjakana sy ny parlemantera momban’ireo vaovao tafaporitsaka.
Mialy Fanilo
