ActualitésTatitra

Etats-Unis : Voasambotra ilay lehilahy voarohirohy tamin’ny fanariana ny razan’i Cairo Jordan

Zazalahy kely 5 taona nonina tao Atlanta i Cairo Jordan. Hita faty tao anaty valizy teny amin’ny làlana foan’i Washington tao Indiana izy ny volana aprily 2022 teo. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia hita fa maty tamin’ny fomba voajanahary io zaza io, tsy nahita ratra teny aminy.

Noho ny « déséquilibre électrolytique »  mety naterakin’ny « gastro-entérite virale » no heverina fa nahafaty an’i Cairo Jordan. Efa natao fitiliana fanampoizinana izy saingy niiba izany. Nitodika tamin’ny renin’i Cairo Jordan, 37 taona sy ny mpiray tsikombakomba taminy Dawn Coleman 40 taona ny ahiahy tamin’ny fanariana ny razan’i Cairo Jordan tao anaty valizy.

Efa voasambotra moa io lehilahy voarohirohy io saingy tsy mbola hita kosa ny renin’ilay zazalahy izay karohan’ny manam-pahefana.

Laisser un commentaire