Andramasina: Ravan’ny zandary ny tambazotran-jiolahy mpanao aqsa ratsy maro
Dépêche 02 novembre, 13h, Isan-karazany mihitsy ny asa ratsy hataon’ireto jiolahy ireto. Ao anatin’izany ny fangalarana omby sy kisoa, fanaovana taratasin’omby hosoka, famakiana trano ary ao ihany koa ny firaisana tsikombakomba amin’ieo mpangalatra entana sy omby. Miisa 15 ireo jiolahy voasambotra tao Ambohimiadana, Distrikan’Andramasina noho ny hetsika nataon’ny Zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimiadana Andramasina. Miabdahy miam-bavy izy ireo amin’izany ka 14 dia lehilahy avokoa raha 1 ksoa ny vehivavy. Voatazona am-ponja vonjimaika ny 12 tami’nizy ireo taorian’ny fampanoavana ny 31 oktobra lasa teo.
