Famokarana: Miantoka ny famokarana foto-tsakafo eto Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana
Dépêche 02 novembre, 12h, Sompitra iray mamelona Malagasy an-tapitrisany ny ao Marovoay izay ahita tanimbary mirefy 38 000ha. Tanimbary mamokatra vary ho an’ny Malagasy maro izay fototsakafon’izy ireo. Ny fiarovana ny tontolo iaianana no miantoka izany famokarana vary izany ao an-toerana satria manamorona ny valanjava-boahary Ankarafantsika ity toerana ity ka raha simba io vala io dia miantraika amin’ny tanimbary izany hoe tototry ny atsanga sy ny fasika ity farany ka tsy hamokatra intsony. Manana andraikitra sy adidy amin’izany ny olom-pirenena tsirairay ka anjaran’ny tsirairay no manao izay tandrify azy. Maro ny tombony azon’ireo tantsaha amin’ny faritra arovana ka loza mitatao ho an’ny mpamboly ny fahapotehany izay mila handraisana fepetra malaky
