ActualitésTsidika

Anjeva : Mpilalao baolina iray maty nilatsaham-potaka

Misaona ny tontolon’ny fanatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Anjeva, mpilalao baolina kitra iray avy ao Mangarano, fokontany Ambotofolaka Anjeva no maty nilatsaha-potaka, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy ihany koa ireo mpilalao hafa naratra vokatr’izany varatra nilatsaka izany tao an-toerana.

« Anisan’ny fotoana maha be varatra izao, ary mampasiaka azy vokatry ny fikorotanan’ny toetr’andro sy ny antony maro samihafa. Tsy mampiomana ny loza mety hitranga, mety hiseho amin’ny fotoana rehetra izany. Ilaina ny mailo mandrakariva hisorohana ny loza samihafa » hoy i Doda, zokiolona

« Tsara hatrany mailo amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra tahaka izao. Anisan’ny mamono olona betsaka ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny fipoahan’ny varatra. Maro ny fady tokony ho tandrovana ary ilaina ny miaro tena manoloana ireny tranga ireny » hoy hatrany i Doda.

Maro ireo loza voajanahary miseho mandritra ny fahavaratra, ilaina hatrany ny fahamailona sy ny fiarova-tena ao anatin’izany. Ny loza tokoa tsy mampilaza, ilaina ny fitandremana sy ny fanajana ireo fadifady isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire