ActualitésTsidika

Tetikasa Fihariana : Nisitraka tosika  sy tohana ihany koa ireo mpandraharaha madinika

Tetikasa hitrandrahana ny fahaizan’ireo tanora maro mpandraharaha amin’izao fotoana ny « Fihariana ». Afaka nandray anjara tamin’izany avokoa ny mpandraharaha rehetra tsy nifidy salan-taona izany. Nomena toerana lehibe ireo oriansa madinika nandritra iny « Forum des investisseurs pour l’émergence de Madagascar » iny. Notoloran’ny Filoham-pirenena mivady tohana sy famporisihana ireo mpandrharaha vao misondrotra miisa 9 naharesy tamin’ny fiantsoana tetik’asa tamin’ny « Fihariana ».

« Antony maro no nisafidianana ireo tanora ireo. Tao ny fahaizany mandrafitra tetik’asa ho zary asa hampivoarana ny fari-piainany sy ny fianakaviany ary nahafahany namorona asa. Tsara tohanana ny tanora mahavita zavatra tsara toy izao mba tsy hiandry tolorana foana fotsiny ny tanora aty aoriana fa hiketrika sy hampiasa ny sainy ihany koa », hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

« Manosika ireo mpandraharaha vao misondrotra na ireo “start-up” izahay amin’ny asan’izy ireo satria hitanay fa eo ampelatanan’ireo tanora ireo ,ny ho avin’ny firenena. Matoa efa mahasahy amin’ny sehatra lehibe toy izao ny tanora dia resy lahatra izahay fa mahavita zavatra izy ireo ary anajaran’izy ireo mihitsy rahateo no mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana. Izany rehetra izany no nanosika anay hanome ireto tolotra ireto dia ny fampindramam-bola tsy misy zanany ity », hoy ny avy ao amin’ny orinasa BNI, izay mpiara-miasa amin’ny tetik’asa Fihariana.

Raha tsiahivina moa dia efa tanora miisa 19 900 avy amin’ireo faritra 23 no nisitraka ziany fanampiana izany. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny tanora ka tsara raha tohanana tahaka izao ireo tena mivelona sy mamokatra zavatra tsara.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire