Ambohimangakely : Nitondra fampatsiahivana mahakasika ny zotram-pitaterana E ny avy ao amin’ny kaominina
Miteraka savorovoro sy ady hevitra matetika tao anatin’ny tamba-jotran-tserasera, ary nahazoana fitaraina maro avy amin’ny mpandeha sy ireo mpanjifa ny zotram-pitaterana E, izay miasa ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Efa nisy hatrany ny lamina napetraky ny tompondraikitra nentina namahana ny olana sy hanorona ireo mpandeha mpampiasa ny zotra ny tokony hataony raha sendra tsy fanarahan-dalana ataon’ny mpitatitra. Amin’izao fotoana izao, mbola manao fanentanana, mampatsiahy hatrany ireo tomponandraikitra ny tokony ho fantatra mahakasika izany.
« Tsy tokony hanontany ireo mpanampy ny mpamily intsony ireo mpandeha, efa misoratra mazava ao anatin’ny bokin’andraikitra ny lalan’izy ireny tsirairay avy. Ny zotra Kofiatra, misy soratra A dia miainga eny Andravoahangy ary mifarana eny amin’ ny fasika Ankadimbahoaka. Miainga eny Andravoahangy kosa ary mifarana any amin’ ny Bam ny misy soratra B na Z » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Ny zotra Koloina kosa miainga eny Behoririka ary mifarana eny amin’ny fasika Ankadimbahoaka ny misy soratra A dia mifamadika amin’izay hatrany ny miverina, ny misy soratra B na Z kosa dia mifarana eny amin’ ny Bam dia miverina ohatran’ izay hatrany. Ao anatin’izay, tsy tokony hamarana ny ny zotra eo Ambodivoara na Mahazo mihitsy izany izy ireo ka izay mbola manao an’ izay dia tena handraisana fepetra henjana » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany. Anisan’ny vahaolana ihany koa anefa ny fametrahana ireny « pointeurs » ireny isaky ny fiantsonana mba hahafahana manara-maso akaiky ny fomba fiasan’ireo mpitatitra.
Manitra Ramanantsoa
