Fiarovana fananana iombonana : Nifarimbona ireo mponina nanadio an’i La Reine de l’Isalo
Toerana iray mampiavaka ,ny faritra Atsimo iny ity toerana ity izay ahitana ny « La Reine de l’Isalo ». Sarivongana voajanahary izay hita manamora iny lalam-pirenena faha-7 iny. Mahasarika olona maro ity toerana ity, eny fa na ny Malagasy izany na ireo vahiny rehefa mandalo eo dia mijanona mihitsy aloha, mankafy sy mianoka ny hatsarany, ary indrindra maka sary. Misy mandoto anefa izy io, ka izay no nandrisika ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany sy ny zandarimariam-pirenena ary ireo solontenam-panjakana maro hanadio azy io.
« Natao izao fanadiovana izao satria efa tafiditra ao anatin’ny dingana ho fanovana sy famaritana azy ho vakoka nasionaly arovana. Esorina daholo ireo mety ho fakofako manahirana ny maso sy ireo soratra mipetapetaka eny amin’ity mpanjaka vavy ity », hoy ny Talem-paritry ny fizahan-tany ao Ihorombe.
« Fidiram-bola ity toerana iray ity ho anay. Sady toerana iray manan-danja ihany koa raha ho an’ny Malagasy rehetra noho ny tantara iza fonosiny. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny asa fiveloman’ny olona maro ity toerana ity ka rariny raha mandray anjara amin’ny fandiovana ziany izahay. Raha madio ihany koa ity toerana ity dia mety ho tafiditra amin’ny vakoka mila arovana amin’izay ka vao mainka hahaliana ny maro », hoy ity mpitari-dia iray raha nanazava ny antony lehibe handraisany anjara amin’ izao fanadiovana izao.
Mila handraisana fepetra hentitra kosa izay mbola minia manoratsoratra sy manarinary fako eny amin’ny toerana sarobidy toy itony. Izany anefa dia miainga amin’ny fanabeazana mahakasika ny fahaiza-miaina mba ho tompon’adnraikitra ny fananana iombonana ny olona tsirairay.
Miora Raharisolo
