ActualitésTsidika

JIOI 2023 : Hafainganina amin’izay ny fampivondronana ny atleta mpandray anjara

Efatra volana alohan’ny figadonan’ny andro hanatanterahana ny JIOI 2023. Hazakazaka arahi-tosika amin’izao ny fanadaminana sy ny fiomanana rehetra. Hafainganina araka izany ny fampivondronana ireo atleta hahafahan’izy ireo manoman-tena amin’izany. Araka izany ary dia tsy maintsy hatomboka amin’ity herinandro ity ny fampivondronana ny atleta amin’ny taranja sasany.

« Misy ireo taranja izay tsy maintsy hampivondronina amin’ity herinandro ity farahafatarany. Ankoatra ireo mpilalao izay efa nandeha nizatra any ivelany to any mpilomany any Thailande sy ny lutte any Bulgarie ary ireo hafa dia efa misy ireo taranja no tsy niandry ny fanambarana fa efa nanomboka ny fampivondronana toa ny Hand-ball lehilahy », hoy ny avy ao amin’ny Komity Mpanatanteraka ny JIOI 2023.

Etsy andaniny anefa dia tsy maintsy hisy ny fampivondronana miaraka ireo mpilalao rehetra eto Antananarivo mialohan’ny lalao izay hatao.

Ahafahana manatsara hatrany ny fanomanana dia tsy maintsy handray anjara mavitrika amin’izany ny Governemanta. « Hotendrena ho coach isaky ny taranja ny Minisitra tsirairay. Ny anjara asan’izy ireo amin’izany dia ny hanohana sy hanampy ireo mpiantsehatra ireo hahazo vokatra tsara betsaka. Ity fomba iray ity izay nanampy betsaka antsika hahzo ny toerana voalohany tamin’ny lalaon’ny Nosy ny taona 2007 », hoy ny avy ao amin’ny Governemanta.

Ho reharehan’ny Malagasy rehetra ny vokatra ho azo mandritra ity lalao lehibe ity. Izany no antony tokony hifanohanan’ny rehetra mialoha sy mandritra ny lalao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire