Ambohimanambola: Hohatsaraina ny fitantanana ny “borne fontaine”
Nisy ny fivoriana notontosain’ireo mpitantana “borne fontaine” sy ny kaominina Ambohimanambola ary ny SEKA (service eau kaominina Ambohimanambola) ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no niresahana sy nitondrana fanatsarana ny fitantanana ny borne fontaine ao an-toerana.
“Natao izao fivoriana izao mba entina hanatsarana ny fitantanana ny borne fontaine ary hanaovana fifanarahana eo amin’ny mpitantana sy ny SEKA. Tapaka tao anatin’izany ny fametrahana ny ora hisokafan’ny borne fontaine mifanaraka amin’ny fahazarana sy ny filàn’ny mpanjifa” hoy ireo tomponandraikitra avy ao an-toerana.
“Natao ihany koa ny fifampiresahana teo amin’ireo mpitantana vaovao vonona handray ireo borne fontaine mihidy, nandritra ny fivoriana. Ary hisy ny peta-drindrina sy laharana ahafahana mifandray amin’ireo mpitantana ireo” hoy hatrany ny fanazavana.
Manao ezaka hatrany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana amin’ny fanamorana sy ny famahana ny olan’ny mpanjifa amin’ny fisitrahana rano. Ireo mponina ao an-toerana ihany izay efa ela niandrasana ny lamina vaovao sy fisitrahana rano fisotro madio tsy misy olana.
Manitra R.
