Comores : Hotontosaina ao amin’ny nosy ny fihaonam-be hanaovana fanentanana manoloana ny aretina samihafa
Hampiantrano ny fihaonana lehibe hanaovana fanentanana manoloana ny raboka (tuberculose), ny sida ary ny tazomoka ny nosy Comores ny 4 ka hatramin’ny 6 novambra ho avy izao. Fivoriana fanao isan-taona tontosaina ao amin’ny firenena mitantana ny vondrona afrikaninana izany raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Houmed Msaïdié.
Nanamafy ny tenany fa efa nahavita ezaka maro amin’ny fiadiana amin’ireo aretina ireo ny nosy na dia mbola mampiahiahy aza ny antontan’isa farany manoloana ny tazomoka, izay mbola mitoetra indrindra ao Ngazidja.
