Fifidianana solontena ao amin’ny Antienimeran-doholona
Tsy maintsy mifidy ireo solontena ny ao amin’ny fitsarana avo na ny HCJ ny loholona, araka ny lalàna. Kandida natolotr’ireo loholona mpikambana sy filoha lefitry ny antenimieran-doholona avokoa ny kandida nofidiana rehetra omaly 11 may. Lany tamin’izany ho solotenan’ny antenimieran-doholona i Tiebo Mahaleo Richard Victor sy i Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Aorian’ny fihanianana no handraisan’ireto voafidy ireto ny asany. Raha ny fantatra dia efa nanana andraikitra ambony teo amin’ny sehatry ny fitsarana ireto voafidy ireto. Nanamafy ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona fa tsy misy olona ambon’ny lalàna na iray aza. Mila manaja ny fitsipika rehetra voalaza ao amin’ny lalàna. Tao anatin’izany, nanambara ireo voafidy fa vonona hampanjaka ny tany tan-dalàna ary hitsara araka tokony ho izy manaraka ny fitsipikin’ny lalàna izy ireo.
Mampionontsoa Rajaonson
