ActualitésTsidika

Fizahantany : Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny Trail d’Ibity andiany faha fito

Efa misokatra hatramin’ny 20 martsa izao ny fisoratana anarana amin’ny Trail d’Ibity izay hatao any Ibity Antsirabe ny 02 aprily izao. Efa miditra amin’ny andiany faha fito amin’izao fotoana ity fotoana iray hiarahana mijery ifotony ny mampiavaka an’Antsirabe sy ny manodidina azy.

« Ao amin’ny kioska ORTANA Antaninarenina na ao amin’ny Biraon’ny Ofisy Rezionaly ny Fizahantany ao Vakinankaratra ORTVak no handraisana izany anarana izany. Toy ny isan-taona dia fotoana iray natao hanangonana ny vola izay voatsirambin’ny tsirairay ho an’ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izay raisina an-tanana ao amin’ny « maison de nutrition » ao Ibity », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpiandraikitra eo anivon’ny ORTVak.

« Fahafinaretana hatrany ny manao soa. Amin’ity fotoana ity dia sady manao aventure no maneho fitiavana amin’ireo ankizy tsy ampy sakafo ireo, tsy ambakan’izany ihany koa ny mahakasika ny fahitana tontolo vaovao sy fahasalamana avy amin’ny fanatanjahan-tena izay hatao. Mahafinaritra satria na ny ankizy aza dia afaka mandray anjara tanteraka amin’izany. Tsy mandiso fanantenana toy ny hatramin’izay io hetsika io », hoy i Mino, mpandray anjara amin’ny hetsika hatramin’izay.

Olona miisa 1000 no andrasan’izy amin’izany amin’ity andiany faha fito ity. Tsy hisy fiovana kosa ny mahakasika ny lalana sy ny programa fa hizara telo toy ny mahazatra hatrany. Hisy ny hazakazaka amin’ny halaviran-dalana 30km na 12km ; fihanihana tendrom-bohitra izay natokana ho an’ireo izay afaka tsara ara-batana ary eo ihany koa ny ho an’ny ankizy kely izay hazakazaka amin’ny halaviran-dalana 2km. Tonga amin’ilay fiteny hoe « ny adidy vita ny fahafinaretana azo » ny fandraisana anjara amin’ity hetsika ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire