Turquie : Mbola ao anaty fisaonana ny firenena
Manoloana ny trangan’horohorotany nahafaty olona manodidina ny 1 700 tao Turquie ny fiandohan’ny herinandro teo dia nilaza ny filoha tao an-toerana, Recep Tayyip Erdogan fa haharitra 7 andro fisaonam-pirenena ao amin’ny firenena.
Mandritra ny filetehan’ny masoandro amin’ny 12 febroary izao no hifarana ny fisaonana. Mandrapaha tonga izany dia midina avokoa ireo sainam-pirenena rehetra raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Marihana fa mbola mitohy ny fikarohana ireo olona mety ho tototry ny trano rava ao Turquie. Mihamavesatra hatrany ny isa manoloana izany. Tsiahivina ihany koa fa voakasika betsaka tamin’io loza io ihany koa i Syrie.
