Comores : Laharam-pahamehana ho an’ny ben’ny tanana ny fahadiovana sy ny fiarovana ny renivohitra
Folo volana latsaka taorian’ny nametrahana an’i Abdoulfatah Said Mohamed, ben’ny tanana ao Moroni I, dia nilaza ny tenany fa hiasa ho an’ireo lafin-javatra rehetra mahakasika ny fianana an-davanandro. Isan’izany ny famerenana amin’ny laoniny ny lalana, ny politikan’ny fandrindrana ny tanàna, ny fanavaozana ny toerana fanangonam-pako, ny fanavaozana ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka hanamora ny fifamoivoizana …
Izany rehetra izany dia hatao mba hiantohana ny fiarovana ny fananana sy ny olona hoy io tompon’andraikitra io. Laharam-pahamehana avokoa ireo teboka ireo hoy kosa ity farany. Maro ny teboka tokony amboarina ao amin’ny renivohitra toy ny eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fialamboly ary fanajariana ny tany saingy laharam-pahamehana aho azy amin’izao fotoana ny fahadiovana sy ny fiarovana raha ny fanamafisany.
