Etats-Unis : Mpampianatra iray no nikarakara adin’ny samy mpianatra tao an-dakilasy
Mpampianatra mpisolo toerana iray, 24 taona no nikarakara ady teo amin’ny samy mpianatra tao an-dakilasiny. Tao amin’ny sekoly iray tao Mesquite, Texas no niseho io tranga io. Nohazavain’ilay mpampianatra antsoina hoe Natally Garcia tsara ny fitsipika momba ny ady talohan’ny nanirahany tovolahy iray niambina ny varavaran’ny lakilasy raha ny fanazavana.
Nilaza io mpampianatra io fa mila ny ankizy rehetra mangina izy rehefa manomboka ny ady. Taorian’izany dia raikitra ny ady teo amin’ny samy mpianatra ary nisy ireo vaky rà nivoaka ny toeram-pianarana. Tovovavy iray tao amin’ilay kilasy nisehoan’io tranga io kosa no naka horonantsary antsokosoko, ary nandefa izany tany amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly.
Manoloana izany dia voaroaka teo no ho eo i Natally Garcia. Nisy ihany koa ireo ray aman-dreny nitory azy ka efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana ny tenany.
