ActualitésTsidika

Belgique: Mitera-doza ho an’ny mponina ilay fanafody ho an’ny Asthme

Fanafody ho an’ny Asthme sy ny allergie efa miparitaka ao Belgique no voalaza fa misy fiatraikany lehibe eo amin’ny fahasalamana. Toy ny eritreretina ho famonoan-tena ny fampiasana azy hoy ny tatitra nataon’ny De Standaard sy ny Het Nieuwsblad ny alatsinainy 12 Jolay lasa teo. Ny taona 1997 no natomboka voalohany ho azo amidy eny an-tsena ny fanafody iadiana amin’ny asthma Montelukast ary nolazaina tsikelikely fa mety ho an’ny marary allerigique ihany koa. 25 taona aty aoriana kosa anefa dia hita fa misy fiatraikany amin’ny fahasalamana ny fihianana izany toy ny fikorotanan’ny torimaso sy ny fahakiviana na famonoan-tena mihitsy aza. Miahiahy ny amin’ireo marary miisa 159 000, izay mampiasa ity fanafody ity ka ny 39 000 no mbola latsakin’ny 18 taona,  I Dokotera ¨Patrik Vankrunkelsven sy ny mpanao gazety iray Marleen Finoulst. 

Laisser un commentaire