Anosy Avaratra : Miara-miasa ny ben’ny tanàna sy ny mpanabe
Tonga niarahaba ny ben’ny tanànan’Anosy Avaratra noho ny taona vaovao ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanabeazana ao amin’ny Kaominina. Nanolotra fanomezana sy nanome voninahitra ny mpitondra ny tanàna izy ireo.
« Mankasitraka sy mankatelina indrindra amin’izao fihetsika maha te hidera ataonareo izao. Fitaratra amin’ny fanabeazana tokoa ianareo. Mirary soa ho an’ny sekoly rehetra ihany koa » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Tsy tokony hohadinoina mihitsy ny ray aman-dreny rehefa tonon-taona tahaka izao. Tsy adino ihany koa ny mitondra solombodiakoho ho azy ireo. Ny ben’ny tanàna no ray aman-dreny eto amin’ny kaominina » hoy ny Sefo ZAP any Anosy Avaratra.
« Ao anatin’ny hamehana hatrany isika izao. Ny fanabeazana no tena sehatra betsaka mpivezivezy ihany koa. Tsy adino ny nanolotra arotava ho an’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana rehetra eto amin’ny kaominina na miankina na tsy miankina » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra.
Irariana mba ho tena hiroborobo tokoa ny fampianarana eto Avaradrano. Ny taranaka tsara fanabeazana mantsy no hitondra firenena any aoriana any.
Nicole Rafalimananjara
