Mihen-danja tsikelikely ny saran’ny arotava
Ariary zato dia efa mahazo arovava orona iray singany ankehitriny raha toa ka dimanjato sy arivo ariary izany tamin’ny fiandohan’izao valan’aretina izao ny taona 2020. Ny arovava orona izay lasa anisan’ny zavatra tsy afa-misaraka amin’ny olombelona.
Hita sy tsikaritra fa tsy liana amin’izany fanjifana arovava orona izany intsony ny vahoaka ka lasa mitobaka be ny entana. Efa nihanalefaka ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana ny olom-pirenena izay tsy manao izany ka tsy maharisika ny olona intsony ny fividianana azy.
« Tsy dia maharisika ny olona intsony ny fividianana cache bouche, zara fa mahalafo izahay. Voatery manena ny vidiny izahay satria tsy mahalafo. Raha dimanjato ny singany teo aloha, izao lasa ariary zato sy roanjato » hoy i Berthe mpivarotra arotava. « Tsy mahavatra mividy cache bouche betsaka aho fa rehefa misy hisoloako dia ampy izay » hoy i Narindra, olon-tsotra. Raha ny eo anivon’ny toeram-pivarotam-panafody indray kosa raha araka ny filazan’ny mpiandraikitra iray, nihena dia nihena ny tahan’ny mpividy arovava orona, tsy toy ny tamin’ny fiandohan’ny Coronavirus izay tena tsy naharaka mihitsy ny famatsiana izany.
Na dia nihanalefaka aza ny toromarika ho amin’ny dimy ambin’ny folo manaraka amin’ny hamehana ara-pahasalamana, na nanambara aza ny Filoha fa voafehy ny Coronavirus aleo hajaina hatrany ny fepetra sy toromarika efa napetraka fa ny « delta variant » mbola mamely mafy any ivelany. Leo ve ny olona sa efa nihena ny serasera amin’ny fanentanana ny fanajana izany fepetra izany dia tsy miraika intsony ?
Tsangy Randriamampianina
