ActualitésSocialTsidika

Avaradrano: Ho hita eny amin’ny kaominina maro ny tsena VMMM amin’ity herinandro ity

Mitohy hatrany ny tsena fivarotana ny fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary izy atolotry ny fikambanan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga (VMMM). Amin’ity herinandro ity, ho hita amin’ny sasan-tsasany amin’ny kaominina eto Avaradrano izy ireo, toy ny kaominina Alasora, Ambohimangakely ary Ambohimambola.

“Ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fikambanana VMMM amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny tena mirarry dia faritra maro no hanatontosana ny hetsika amin’ny herinandro ity. Hanentanana sahady ny ray aman-dreny hiomana ary ho avy eny an-toerana satria vonona ny fikambanana amin’ny fandraisana” hoy ny avy amin’ny fikambanana VMMM.

“Tombony lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny fisian’ity tsena ity. Efa maro no afa-po isan-taona satria mampihena ny fandaniana amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra. Amin’izao fiainana efa lafo izao dia tena hisaorana ny fikambanana mbola mitondra izany fanampiana izany hatrany” hoy i Feno, mponina ao Ankadinandriana.

Marihina moa, fa anio talata, eo Ankadindratombo (CSMA II) no hanatanterahana ny ao Alasora. Ny 31 Aogositra kosa ny anjaran’ny kaominina Ambohimangakely ary ny 01 Septambra no anjaran’ny kaominina Ambohimanambola, ao amin’ny fokontany Ambohibato no hanatanterahana izany tsena izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire