ActualitésTatitra

Maurice : Hisy ny fampirantiana ao amin’ny Intercontinental Slavery Museum

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fahatsiarovana ny varotra andevo (Traite Transatlantique) sy ny fanafoanana ankalazaina ny 1 septambra dia hisy ny fampirantiana ao amin’ny Intercontinental Slavery Museum ao amin’ny nosy Maurice. Ao amin’ny hopitaly miaramila taloha ao Port-Louis no misy ireo tranom-bakoka izany.

Hisokatra ny 4 septambra izao ho an’ny daholobe ny fampirantiana izay haneho io vanim-potoana manan-tantara io. Hisy ihany koa ny fitsidihana misy mpitarika izay ahafahan’ny mpitsidika mandinika ireo lafiny samihafa amin’ny fampirantiana sy mahatakatra feno ny votoatin’ireo tantara aseho.

Laisser un commentaire