Alasora : Ankizy 180 isa no nisitraka ny solon-kopia
Tontosa soa aman-tsara tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Maitso Alasora, ny hetsika fikarakarana sy fizarana ny solon-kopia ho an’ireo zaza latsaky ny 18 taona, tao amin’ny kaominina Alasora. Ankizy manodidina ny 180 isa no nisitraka izany tao an-toerana, araka ny voalaza.
“Taorian’ny dingana fikarakarana rehetra amin’ny fanomezana solon-kopia ireo ankizy tato anatin’ny kaominina Alasora, dia tontosa soa aman-tsara tamin’ity fotoana ity ny fizarana izany ho an’ireo ankizy. Hisaorana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny sefom-pokontany sy ny lefiny, ireo ray aman-dreny niteraka, indrindra ireo mpitsara sy ny mpiraki-draharaha tamin’ny fiaraha-miasa ka ,nahatontosana izany antsakany sy andavany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Faly fa nahavita kopia ara-dalana ihany tamin’ny alalan’ny hetsika nataon’ny kaominina. Hisaorana ireo tomponandraikitra satria mahavonjy sy tena ilaina ny hetsika tahaka izao, indrindra amin’izao fanomanana ny fidiran’ny mpianatra izao dia ilaina izany ho fanampin’ireo atotan-taratasy fampidirana mpianatra” hoy i Julie, renim-pianakaviana.
Zo fototra tokony sitrahan’ny ankizy sy ny zaza ny kopia. Ilaina izany amin’ny famenoana ireo atontan-taratasy eny amin’ireo sehatra isan-tsojakiny. Raha ny eto amintsika, mbola maro ireo ankizy tsy manana izany ka antony nanaovan’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora izao hetsika izao.
Manitra R.
