ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nahazo ny anjarany tamin’ny “cantine scolaire” ny EPP Ikianja

Nitohy tao amin’ny EPP Ikianja ny hetsika fizarana cantine scolaire, izay tanterhan’ny kaominina Ambohimangakely sy ireo mpiara-miombonantoka aminy ao an-toerana, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Faly avokoa na ireo ray aman-dreny na ny mpampianatra, indrindra ireo ankizy mpianatra nandritra ny fitsidiahana natao, raha ny voalaza.

«Anisan’ny nanamarika ny hetsika, ankoatra ny fampisakafoanana ireo ankizy teto amin’ny EPP dia nisy ihany koa ny fifampiresahana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tety an-toerana. Izany no natao mba hanatsarana sy handaminana ny fandrindrana izany cantine scolaire izany » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.

«Amin’ny hetsika tahaka izao moa dia hisaorana foana ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy satria tena zava-dehibe ho an’ny ray aman-dreny, ho an’ny mpanabe indrindra ho an’ny ankizy mpianatra ny fanohanana tahaka izao » hoy i Fara, ray amandrenin’ny mpianatra.

Zava-dehibe ho an’ny fampianarana ny fanohanana ara-tsakafo ny mpianatra ary anisan’ny mameno ny zo fototra tokony ho sitrahan’izy ireo. Ny fanomezana sakafon’ny mpianatra izay tokony ho tafiditra anaty fandaminan’ny sekoly mba ho fanampiana ireo mpianatra sahirana.

Manitra R.

Laisser un commentaire