ActualitésTsidika

Toe-karena : Nahazo ny anjarany amin’ny Taninketsa Indostrialy koa i Morondava

Distrika fahatelo nisitraka ny Taninketsa Indostrialy i Morondava amin’izao fotoana izao. Milina fanodinana voanjo ho lasa menaka ity napetraka tao Morondava ity. Noho izy faritra mpamokatra voanjo betsaka isan-taona dia napetraka ity ozinina mpanodina voanjo ho lasa menaka ity ho tombontsoan’ny rehetra.

« Anatin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena fahafito ity hapetraka eto Morondava ity. Tsy indostria lehibe fa orinasa hanoratra tantara no hapetraka satria tsy ho an’ny Morondava irery ihany fa orinasa ho an’ny faritra Menabe rehetra izay mpamokatra voanjo. Hapetraka ny milina ho an’ny mpisehatra rehetra», hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana nandritra ny fandraisam-pitenenany.

« Mahafinaritra sady misaotra ny Ministera sy ny Fitondram-panjakana fa mipaka amin’ny vahoaka ny ezaka toy izao. Ilaina foana ny orinasa, mampitombo ny olona miasa. Mampiakatra ny fidiram-bola. Mankasitraka amin’ny finiavana », hoy ny solontenan’ireo mpisehatra ao Morondava.

Ny Distrikan’ny Morondava no toerana fahatelo nisitraka ny Taninketsa Indostrialy raha efa nahazo ny anjarany ny ao Amoron’ny Mania sy i Manjakandriana tamin’ny milina fanodinana tantely. Tsy hijanona ho amin’izao toerana telo izay ihany anefa fa hiparitaka manerana ny Nosy izany ezaka izany ho fampiroboroboana ny Indostria.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire