ActualitésTsidika

Fomba teto Imerina ihany koa ny « Lapabe » sy ny « Valabe »

Nanomboka tamin’ny fanjakan’ Andriamasinavalona tamin’ny taonjato faha-18 no nisy ny « valabe » sy ny « lapabe » izay firaisana ara-nofo faobe teto Imerina. Tsy misy an-kanavaka fa afaka miray amin’ny havana sy ny mpiaramonina, ny mpiray vodirindrina sy ny mpiray vohitra. « Fomba nolovain’ny merina tany Azia ny lapa be izay avy ao Inde ary mbola maro no manao izany fomba izany ankehitriny fa ny teto imerina kosa dia efa nofoanana tanteraka » hoy ny mpikaroka tantara.

Rehefa andro fandroana dia misy ny atao hoe « Fo tsy aritra » sy « Andro tsy maty » ka mandritra izany no anatanterahana ny valabe. Samy miray ara-nofo amin’izay olona tiany ny rehetra satria tsy misy ny lalàm-panjakana manameloka izany toy ny hoe ny havan’andriana miaraka amin’ny hova ary ny hova koa torak’izany hatramin’ny andevo mihitsy aza.

« Manao firaisana ara-nofo daholo ny iray tanàna, misy ny mandeha maromaro ka samy mifampitaingina sy afaka mifanakalo arak’izay tiany izy rehetra ary tena ao anatin’ny fahalalahan-tsaina tanteraka no anaovan’izany, tsy misy fady » hoy i Samoelina, mpahay sy mpandalina ny tantara. Tsy misy ankijery tarehy fa samy mandray izay hitsiny fotsiny, tsy misy hoe zana-joky sa zana-jandry, na iza na iza. Mifampiharahaba tratry ny taona daholo aorian’izay no sady tonga ihany koa ny maraina.

Tsy nataon’ny mpanjaka ambanin-javatra ity fomba iray ity satria i Radama izay tao anaty lapabe no nisafidianana azy handimby an’Andrianampoinimerina noho izy nisondro-mandry fa ny hafa rehetra dia nitambotsotra daholo. Betsaka ny aretina mety ho azo aorian’io fomba io vokatry ny firaisana ara-nofo. Mbola maro hafa ny fomba teto amintsika izay tena tokony hofantarina tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire