ActualitésTsidika

Miandry ny fahefana mpanatanteraka ny CFM mikasika ny « indemnisation »

Tsy mbola afaka miroso amin’ny fandinihana farany ny antontan-taratasin’ireo mpisitraka ny fanonerana na ny « indemnisation », indrindra ireo voakasiky ny krizim-politika teo anelanelan’ny taona 2002 sy ny 2009, ny Conseil du Fampihavanana Malagasy na ny CFM. Miantona eo amin’ny fahefana mpanatanteraka ny didy ahafahana mampihatra ny voalazan’ny CFM.

« Mikasika ny fanonerana tonga eto aminay dia tsy afaka mandinika ireo noho tsy fisian’ny decret d’application izao mbola mvezivezy any amin’ny Ministeran’ny fitsarana sy ny Ministeran’ny vola » hoy i Maka Alphonse, Filohan’ny CFM. « Mahatsiaro ho tsy to teny amin’ny fanapahan-kevitra raisina mahakasika ny famotsoran-keloka ihany koa izahay ankoatran’ity fanonerana ity kanefa efa voalazan’ny lalàna 2016-037 fa manan-kery hatrany ny fanapahan-kevitry ny CFM ary tsy misy fampiakarana azo atao » hoy ireo mpikambana. « Tokony hizaka ny zo feno izay olona nisitraka sy nahazo ny famotsoran-keloka avy amin’ny CFM » hoy i Fanja, mpahay lalàna. Mbola manana ny anjara toerany ve anefa ny CFM amin’izao fotoana izao ? Mbola ilaina eto amin’ny firenena ve izy ireo sa efa vitan’ny Ministera ny tokony ho asany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire