ActualitésTatitra

Vietnam : Niatrika ny maripana ambony indrindra nosedrainy ny firenena

Tafiakatra 44,1°C ny maripana tao Vietnam ny 6 may teo. Maripana ambony indrindra nosedrain’ny firenena teo amin’ny tantarany izany raha ny fanazavana. Tao amin’ny faritanin’i Thanh Hoa kosa no nisehoan’izany fiakaran’ny hafanana goavana izany raha ny tatitry ny Centre national de prévision hydrométéorologique.

Nanamafy kosa ny manam-pahaizana momba ny siansa ny toetrandro, tao Hanoï antsoina hoe Nguyen Ngoc Huy fa vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany no mitaraika io hafanana goavana ao an-toerana io. Nilaza ny tenany fa mety mbola hiverina im-betsaka an-toerana io tranga io.

Raha tsiahivina dia firenena maro tao Asie atsimo no niatrika fiakaran’ny maripana goavana ny volana aprily teo. Tsiahivina ihany koa fa 43,4°C ny hafanana farany ambony voarakitra tao Vietnam, tao amin’ny distrikan’i Huong Khe, faritanin’i Ha Tinh tamin’ny 20 aprily 2019.

Laisser un commentaire