France : Olona telo no maty tao anatin’ny hain-trano niseho tao Paris
Nisehoana hain-trano tao amin’ny renivohitra Paris, France, ka nahafatesan’olona telo, ny alin’ny alatsinainy teo. Trano lehibe fonenan’olon-tsotra, ity niharan’ny loza ity, saingy ny tany amin’ny rihana faha enina sy fahafito dia misy ireo birao sy efitra fandraisam-bahiny hatrany amin’ny rihana farany ambony. Ny maraim-ben’ny talata vao tonga tao an-toerana ireo mpamonjy voina. Araka ny fanazavana, dia fivoahan’ny entona no nahatonga ny loza.
