Etats-Unis : Fiara-manidina V35 nianjera tamin’ny trano, nahafatesana olona maro
Fiaramanidina kely, amin’ny karazany Beechcraft Bonanza V35, no nianjera tamin’ny trano (maisons mobiles) tany Clearwater, Floride, atsimo atsinanan’i Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy voafaritra mazava ny isan’ireo namoy ny ainy, saingy fantatra fa nisy ireo maty na tao anatin’ny fiara-manidina na tao anatin’ny trano, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, any an-toerana. Fotoana vitsy mialohan’ny nitrangan’ny loza, dia efa naharay hafatra ny tao amin’ny seranam-piaramanidina fa nisy olana ara-teknika ity fiara-manidina ity. Vokany, nianjera tamin’ny trano ity farany, maherin’ny telo tamin’ireo trano no rava vokatry ny afo, ny iray kosa no tena nianjeran’ity fiaramanidina ity hatrany. Avotra soa aman-tsara moa ireo mponina tao amin’ny trano hafa ireo.
