Etats-Unis : Ankohonana iray no niara-maty vokatry ny tandrevaky ny hafa
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana ankohonana iray tao Texas ny herinandro lasa teo. Renim-pianakaviana sy raim-pianakaviana iray nitondra ny zanany roa nivoaka no nofohan’ny fiara izay tsy nanara-dalàna. Raha ny fanazavana dia nizotra tamin’ny lalana tsy tokony nalehany (à contre sens) ny mpamily ilay fiara nandoana azy ireo.
Manoloana izany dia maty tsy tsa-drano i Xavier sy Mélodie vao 23 sy 21 taona monja ary ny zanak’izy ireo mianadahy 2 taona sy herintaona. Raha ny fanazavana dia efa nitoe-jaza ihany i Mélodie nandritra io fotoana nisehoan’ny loza io. Marihana fa namoy ny ainy ihany koa ilay mpamily ny fiara nandoana azy ireo, antsoina hoe George Wallace.
