ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Trano manodidina ny 50 tafo narodana

Tokatrano niorina tsy ara-dalàna, manodidina ny 50 isa no narodan’ny vadi-tany sy ny EmoReg, teny Manankasina kaominina Ambohimangakely, tamin’ny talata teo. Nanorina trano amin’ny tany mana-tompo ireo mponina teny an-toerana,ary efa nomena « préavis » hialana amin’izany, raha ny voalaza.

« Mangataka ny fitondram-panjakana izahay mba hijery akaiky ny momba anay mponina ety. Tena tampoka taminay ilay fandrodanana, maro ny very fananana, very vola amin’izao tranga izao » hoy ireo mponina eny an-toerana.

« Amin’ny lafiny iray tsy ary tsy tokony hanao hamboletra, handrava fananan’olona tahaka izao ireo manam-pahefana. Samy manana ny rariny ho azy na ny milaza ho tompon’ny tany na ireo olona nanorina trano fa ilay mandrava fananana no tsy mety » hoy i Tiana, mponina eny Ambohimangakely.

Ilaina ny fahamailoana manoloana ny fivarotana sy fividianana tany tsy ara-dalàna amin’izao fotoana izao. Tokony hisy taratasy mazava avy amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny tany vao azo hanorenana sy hitoerana, hisorohana ny tranga toa izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire