Royaume-Uni : Voaheloka higadra mandrapahafaty i Claire Scanlon
Tsy vitsy ny ray aman-dreny mamono zanaka any amin’ny firenena mandroso. Isan’ireo voampanga ao anatin’izany i Claire Scanlon, 38 taona. Raha tsiahivina dia namono ny zanany 5 taona izy tamin’ny 31 desambra 2021. Tamin’io fotoana io dia niazakazaka niantso ny mpiray vodirindrina taminy io renim-pianakaviana io fa tsy nihetsika intsony ny zanany. Rehefa natao nefa ny fanadihadiana dia nahitana ratra sy fery ary mangana ny vatan’ilay zazalahy kely.
Ankoatra izany dia fantatra nomena fatra ny fanafody «antidépresseur » betsaka io zazalahy io. Roa herinandro talohan’ny tranga dia nandefa hafatra tamin’i Gary Kean, olo-tiany taloha ary rain’io zaza io i Claire Scanlon fa tsy ahita io zanany io intsony ary roa efatr’andro talohan’ny nahafaty an’ilay zazalahy dia namerina nandefa izany hafatra izany indray io vehivavy io.
Manoloana izany dia voasambotra ity farany, niaiky izy fa nidaroka ny zanany talohan’ny nanomezany azy «antidépresseur» betsaka ka nahafaty izany. Notsaraina ny faran’ny herinandro teo kosa i Claire Scanlon ary voaheloka higadra mandrapahafaty.
