La Réunion : Lehilahy iray nanolana ny vadiny sy ny zanany roa vavy nandritra ny 7 taona
Reny sy zanaka nonina tao Saint-Benôit no niaina tao anaty tahotra sy ahiahy nandritra ny taona maro. Lehilahy iray antsoina hoe Guy Giron no naka ankeriny azy ireo nandritra ny 7 taona.Vadin’ity rangahy ity ihany io nalainy ankeriny niaraka tamin’ny zanany roa vavy io. Marihina fa efa nigadra folo taona noho ny famonona ny vadiny voalohany io lehilahy io. Nihatra fanolanana izy telo mianaka ireto nandritra taona naka ankeriny azy ary fantatra fa 10 taona monja ny zanany vavy faharoa dia niharan’izany fanolanana izany. Nitondra vohoka noho izany izy kosa ny zanany ny voalohany ary efa enin-taona ny zanany ankehitriny.Nitazona ny fahanginana nandritra ny fotoana maro ireo vehivavy ireo saingy nivaky i Guy Giron rehefa natao ny fanadihadiana. Noho izany dia voaheloka an-tranomaizina 30 taona izy.
