DIRMRS Mahajanga : Nanomboka ny fambolena honko
28 Febroary, 11h00. Notanterahina ny Zoma faha- 25 febroary 2022 tao Ambalatany Kaomina Ambanivohitra Boanamary, Distrika Mahajanga Faharoa ny fanombohana ny fambolen-kazo Honko ho an’ny Faritra Boeny. Notarihin’ny Minisitra Lefitra misahana ny Fandrakofana Ala eto Madagasikara izany. Hamboly afiafy 16 000 ary honkolahy sy honkovavy 400.000 amin’ny velaran-tany 80 hekitara no tanjona amin’ity hetsika ity.
