Dépêches

Poste Avancé Behenjy : Mpangalatra enta-madinika efatra no tratra 

28 febroary, 10h30. Nisy andiana mpangalatra tratran’ny zandary ny 25 febroary teo raha ny voalazan’ny GN Vakinankaratra androany. Mody mamandrika entana maromaro ireo olona ireo sady mampiditra izany ao anaty sakaosy sy gony. « Aloan’ny vadiko eto ireo » hoy izy ary mody apetrany ny entana sasany anaty gony fa ilay anaty sakaosy no entiny, mody miondrikondrika eo izy dia manao tari-dositra. Nifanenjehan’ny fokonolona tao an-tsena kosa izy ireo ary efa voasambotry ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Behenjy. Sigara, vato mamy, biscuit ary paty no raofin’izy ireo. Mpivarotra maromaro no efa lasibatra raha roa no nametraka fitarainana. Atolotra ny fitsarana kosa izy ireo rehefa vita ny fanadihadiana azy.

Laisser un commentaire