BNGRC : Tatitry ny rivo-doza Emnati
28 Febroary, 10h00. Tafiakatra 14 ny maty vokatry ny rivo-doza Emnati, efatra tamin’ireo dia hita tao Farafangana, tao Manakara kosa ny efatra hafa, telo tao Vangaindrano, roa tao Ihosy ary tao Mananjary ny iray. Tafiakatra 153.423 ihany koa ny iosan’ny tra-boina izay tokantrano 40.470.
Nafindra toerana vonjimaika ny 43.793 amin’ireo izay tokantrano 9.862. Toerana fandraisana tranoina vonjimaika 92 miza amin’ny faritra 11 kosa no andraisana ireo tra-boina ireo. Araka io tatitry ny BNGRC ny alahady teo io ihany dia, nanimba tanteraka trano fonenena 6.118 i Emnati, nanimba tamin’ny ampahany trano 11.404 kosa izy ary nandibo-drano trano 5.792.
