Toliara : Hita ilay zaza menavava nisy nangalatra.
Dépêche 11 janvier, 13h, Raha tsiahivina dia nisy nagalatra tao amin’ny hopitaly tao Toliara ity zazalahy kely vao teraka ity. Vehivavy iray nisandoka ho mpampiteraka no voalaza fa nahavanona izany halatra izany. Vehivavy iray no hita niaraka tamin’ilay zaza ary rehefa nojeren’ny mpitsabo ny vatany dia fantatra fa tsy olona avy niteraka ity vehivavy ity. Nosamborina avy hatrany ity farany. Notanana ihany koa ilay mpampivelona tao amin’ilay toeram-pitsaboana izay niray tsikombakomba tamin’ity vehivavy ity nahafahana namoaka ilay zaza tao amin’ny toeram-pitsaboana. Mbola mitohy hatrany kosa ny fandihadiana.
