Nandàmoka ny asa ratsin’ireto jiolahy tao Ambohimarina.
15 Oktobra, 10h00. Nitrangana halatr’omby indray tao Analamiranga, fokontany Ambohimarina, kaominina Tamponala, Distrika Soavinandriana ny alin’ny 13 oktobra lasa teo. Omby miisa enina amby folo no lasan’ireo dahalo tamin’izany, saingy tratra ihany ireo dahalo nohon’ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Tafaverina tamin’ny tompony ny omby dimy amby folo, ny iray kosa novoin’ireo dahalo teny an-dalana.
