ActualitésTsidika

Alasora : Miroso ny fanamboarana ny terrain synthétique ao Ambohidrazaka

Miroso amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina (terrain synthétique foot à 9) ao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora, rehefa niteraka disadisa teo amin’ny mponina ao an-toerana sy ny kaominina ny fanamboarana izany, iray volana teo ho eo izay.

« Manoloana ny disadisa teo amin’ny vahoakan’Ambohidrazaka sy ny kaominina, teo amin’ny tetik’asa fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina ao an-toerana dia efa nisy ny fifampiresahana nifanaovana niaraka tamin’ireo solontenan’ny vahoaka ka hiroso amin’ny fanamboarana ny kianja amin’izao fotoana izao » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Zava-dehibe amin’ny mponina ny fananana kianja ary io efa toerana fialambolin’ny rehetra hatramin’izay. Tsy ny fananganana kianja no olana ho an’ny mponina fa ny fahazoana misitraka hilalao amin’ilay toerana sao ho lafo tsy ho takatry ny rehetra » hoy i Toky, mpilalao baolina kitra.

Raha tsiahivina, dia noho ny fielezan’ny tsaho fa hisy vidim-pidirana lafo tsy ho takatry ny rehetra no nahatonga ny savorovoro tao Ambohidrazaka Alasora, momba ny fananganana ity kianja ity. Efa niravona ary natao ho an’ny rehetra, azon’ny rehetra ampiasaina ity kianja ity rehefa misy ny fahavitany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire