Ambatondrazaka : Miisa 72 ireo ankizivavy voan’ny ambalavelona
Miparitaka be ny ambalavelona any Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity .Ireo ankizivavy mbola mpianatra no tena lasibatra amin’izany.
« Tsy mitsahatra miparitaka izany, na dia teo aza ny fisamborana ilay tovolahy izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany. Mampalahelo ireo mpianatra vehivavy izay tena lasibatra » hoy i Hery, mponina ao Andilanatoby. « Sahiran-tsaina izahay talen-tsekoly sy ny mpampianatra ary ireo ray aman-dreny ety an-toerana manoloana ny tranga. Mahazo vahana amin’ireo ankizivavy ny ambalavelona. Efa nisy ihany ny fepetra noraisina saingy tsy nahitam-bokany » hoy ny talen-tsekoly iray.
Miisa 72 ireo ankizivavy voan’ny ambalavelona any Andilanatoby Ambatondrazaka ankehitriny. Ny 20 tamin’ireo no nihetsika raha toa ka tsy naninona ireo 50 ambiny.
Nicole Rafalimananjara
