ActualitésTsidika

 Ambohimanga Rova: Telolahy tratran’ny zandary teo ampifohana rongony

Telolahy no tratran’ny zandary, avy ao amin’ny brigady Ambohimanga rova, teo ampifohana rongony, ny alarobia teo. Avy eny amin’ny faritra Vinany, kaominina Itaosy, ireto farany no tonga mifoka tao amin’ny faritry ny rovan’Ambohimanga, araka ny voalaza.

“???????? 18,20,31 ????? ??? ??? Vinany, kaominina Itaosy, ???????????? ???????????? ?? ???????’?? ??????? ??? ?? ????’?? ??????? Ambohimanga rova ??? ?????????? ????-???????????? ????????’?? ????̀?? ?? ???????? ??? ???????? ??? rongony ??? ????’?? ??????? ?? ?????’???????????.  N? ????????????????? ?? ???? ?? ?????????????? ?? ????????-????̀?? ??????’??? ???????? ????? ny andron’ny 13 ???????? 2023 ?????? ?? ?????’?? 10 ??? ??????? ?? ??????? ?? ??????? ??? ???????” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Efa tena maro ireo tanora no mahavita zavatra mihoa-pefy noho ny resaka zava-mahadomelina. Hisaorana ny zandary manao ny asa hatrany ary tokony ho tohizan’izy ireo hatrany izany satria efa maro ireo tanora tafaroboka sy milona ao anatin’io rongony io” hoy i Anjara, mponina ao Ambohimanga rova.

Manao ezaka hatrany ny zandarimaria amin’ny fanenjehana sy famongoroana ireo mpanaparitaka sy mpifoka zava-mahadomelina. Ao anatin’izany dia manentana hatrany ny rehetra izy amin’ny tana-maron’ny fandriampahalemana izay anisan’ny lalana sy paik’ady manokana ahafahana manatratra ireo olon-dratsy.

Laisser un commentaire