Alasora : Nodiovina ny tatatra
Mitohy hatrany ny fanadiovana lakandrano ao anatin’ny kaominina Alasora. Ao anatin’ny vanimpotoanan’ny fahavaratra tokoa manty isika izao. « Efa ela mihitsy no tokony nisy ny tahaka izao. Mijaly izahay mponina manodidina ny tatatra amin’ny fofona”z hoy i Erica, mponina ao Alasora.
« Aoka ho samy tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny fahadiovan’ny tanàna. Rehefa tsy mandoto dia manadio izay ary samia bmifampiteny raha misy tsy rariny » hoy ny vay ao amin’ny kaominina Alasora. “Tsy ny kaominina irery no tompon’anraikitra amin’ny fahadiovana. Mila mandray anjara ami’nny fanadiovana ny mponina rehetra, ary atomboka amin’ny ao an-trano izany » hoy i Christophe, mpianatra mikasika ny rano sy ny fanadiovana eny anivon’ny anjerimanontolo.
Ny fanadiovana ny tatatra moa tsy maintsy ataon’ny kaominina ihany, saingy kosa tsy maharaka ny mpanoto ny mpanadio. Mila mandray andraikitra ny tsirairay, indrindra amin’ny tsy tokony handotoana ny tatatra.
Nicole Rafalimananjara
