SocialTatitra

France : Misy anarana voararan’ny làlana ao an-toerana

Safidy malalaky ny ray aman-dreny ny fanomezana anarana ny zanany. Misy làlana nefa ao France mandrara anarana vitsivitsy. Anisan’izany ny anarana hoe « Jihad » izay midika hoe « ady masina » izay noraran’ny ben’ny tànana’i Dijon ao Côte d’Or tamin’ny taona 2018. Efa manodidina ny 500 nefa ny zaza mitondra io anarana io ao an-toerana nanomboka ny taona 1970.Anisany voarara ihany koa ny anarana hoe « Ambre » nanomboka ny taona 2019. Ny antony dia tsy voafaritra mazava na anaran-dahy na anaram-bavy, ka nosokajian’ny mpampanoa làlana ho mety hanakorotana ny sain’ilay zaza. Ny fitsarana ambonin’i Rennes ao Ille-et-Vilaine no nandany io volavolan-dàlana io.Mbola maro ireo anarana voararan’ny làlana ao an-toerana ary samy manana ny antony avokoa ireo.

Laisser un commentaire