ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Mangataka fiaraha-miasa amin’ny fikarohana ireo mpangalatra namono olona ny G4S Cash Solutions

Hanome marim-pankasitrahana mitenetina 1 tapitrisa Rands (262 tapitrisa Ar) izay manome vaovao ahafahana misambotra ireo jiolahy nangalatra sy namono ny mpiambina tao Mnandi Spar tao amin’ny Centurion ny zoma teo ny G4S Cash Solutions.Nanazava ny tompon’andraikitr’io orinasa voatafika io fa nitatitra ny vola azo tamin’ny « collecte de fonds » tao anatin’ny fiara voatokana tamin’izany io mpiambina novonoin’ireo mpangalatra tamin’ny basy « fusil R5 ». Nanamafy izy fa ireo efa olona roa tamin’io andian-jiolahy ireo no voasambotriny CCTV. Nisy kosa ireo tafatsoaka niaraka tamin’ny vola taratasy.Nanao antso kkosa ireo tompon’andraikitra amin’ny fampitam-baovao hahitana ireo olona ireo.

Laisser un commentaire